Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy
- Tech info
- Mar, 09, 2026
- Non classé
- No Comments
Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy
Voninahitra lehibe ho an’ny ININFRA ny nandray ny lanonana fanombohana ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy 
Tontosa antsakany sy andavany ny hetsika fanokafana, tao anatin’ny firaisankina sy hafaliana, ho fanomezam-boninahitra ny vehivavy sy ny anjara birikiny lehibe eo amin’ny fiarahamonina. 
Mbola hitohy ny hetsika sy ny fankalazana, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Alahady 8 martsa ho avy izao. 
Mirary fankalazana feno hafaliana ho an’ny vehivavy rehetra!” 
Nandray anjara mavitrika ny ININFRA tamin’ny hetsika fambolen-kazo niarahana tamin’ireo ministera sy andrim-panjakana samihafa ny 06 martsa. 
Ity hetsika ity dia mariky ny firaisankina sy ny fanomezana lanja ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana, sady maneho ihany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ny fotoana dia notanterahina eo ambany fitarihan’ny vadin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana
Arahabaina ny vehivavy rehetra nahatratra ity andro androany ity, arahabaina manokana Ramatoa Tale Jeneralin’ny ININFRA sy ny vehivavy mpiara-miasa rehetra. Ho vehivavy modely reharehan’ny fianakaviana, ny toeram-piasana ary indrindra indrindra ny firenena 


- - Gestion de stock
- - Q H S E: Qualité, Hygiène, Sécurité, et Environnement
- - Organisation et Gestion de chantier
- - S S T: Santé et Securité au travail
- - Etude de prix
- - Gestion Axée sur les Résultats
- - H S E: Hygiène, Sécurité, et Environnement
- - Gestion de projet
- - Maîtrise de l'outils collaboratifs

𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀: "𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐍𝐓𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀"
𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂- 7 jolay 2026]
Manoloana ny zava- mitranga eto amin'ny Firenena, fanjavonana zanaka malagasy ary misy ireo namoy ny ainy, dia hentitra ny Lehiben'ny governemanta nanipika fa tsy afaka handefitra ny tenany, amin'ny maha Praiminisitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik'ireny tranga fanjavonana sy vono olona ireny.
Efa misy ny fepetra fisorohana napetraka ary efa nomena baiko hentitra ireo minisitera voakasika. Koa niantso fitoniana ny Praiminisitra ary miantso fifanomezan-tànana avy amin'ny olom-pirenena rehetra mba hanampy ireo mpitandro filaminana.
Tsy nohadinoin'ny Praiminisitra ny naneho fiombonam- po tamin'ireo ray aman-dreny very zanaka na namoy zanaka noho izao tranga tena hafa tsy mbola fahita izao.
" 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚. 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂" hoy ny Praiminisitra.
𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮
26 jona 2026





