Fampiofanana ho an’ny mpamily
- Tech info
- Mar, 05, 2025
- Non classé
- No Comments
CNT / ININFRA
Fianarantsoa
Tontosa ny 04 sy ny 05 martsa 2025 ny fampiofanana natokana ho an’ireo mpamily fiara hiombonana tao amin’ny faritry Fianarantsoa.
Ny tanjon’ity hetsika ity dia ny hanamafisana ny fahaizan’ny mpamily sy ny hampahafantarana azy ireo ny fomba fanao tsara amin’ny fiarovana amin’ny loza amin’ny lalana.
Misaotra an’ny CNT nametraka hatrany ny fitokisana amin’ny ININFRA, misaotra ihany koa an’ireo rehetra nandray anjara

𝗥𝗡𝟮𝘁𝗲𝗿 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮

Efa mitohy indray ny asa fanarenana sy fanatsarana, raha niadana sy niato kely mihitsy izany teo.
Tany Toamasina ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFEFIMANANA Sambilason Richard sy ireo Teknisianina notarihiny, nijery akaiky ny fizotry ny asa, omaly Asabotsy 11 Aprily 2026.
Hentitra ny fepetra noraisina :
Hapetraka ny mpanara-maso ny asa tsy tapaka eny an-kianja, hiantohana ny kalitao
Henjehina ny fahatarana ka nomena toromarika hampitombo ny ora fiasana sy ny Olona ampiasainy ny Orinasa mpanatanteraka.
Efa-bolana no voafaritra hahavitan' ity lalana 2.000m ity.
![]()
Hisy lamina apetraka ho an' ny fifamoivoizana, mandritry ny asa atao.
