Fihaonan’ny Minisitra sy ny Mpiasa eto anivon’ny ININFRA
- Tech info
- Sep, 03, 2024
- Non classé
- No Comments
????????????????????????????????’???????? ???????????????????????????????????? ???????? ???????????? ???????????????????????????? ????????????????????’???????????????? ???????????????????????? ???????? ????????????????????????’???????? ????????????????????????????

Nitsidika sy nihaona tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny « Institut National de l’Infrastructure » na ININFRA ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa RAFIDISON Richard Théodore, androany teny Alarobia. Fotoana iray nifankahalalana sy nametrahana ireo fomba fiasa vaovao. Nanamafy ny Minisitra tomponandraikitra fa miaraka mandray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona ao amin’ny politikam-panjakana ny tsirairay. Misy ny fandrindrana miainga avy amin’ny Ministera foibe, izay miara-miasa akaiky amin’ireo rantsamangaika rehetra. Nitohy tamin’ny fandaminana ny « Projets d’investissement public » na PIP 2025 ny fotoana.Tsara marihana fa 36 taona nijoroana ny ININFRA, anisan’ireo rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Manana traikefa amin’ny fampiofanana ireo mpiasa ho lasa matihanina na ireo vao nahavita fianarana ka hiditra amin’ny sehatry ny asa ity ivontoerana ity. Tomponandaikim-panjakana sy teknisianina aman’arivony no efa nandalo fiofanana tao, araka ny nambaran’ny Tale Jeneraliny, Ramatoa RAKOTOBE Seheno. Manana laboratoara sy « atelier » hanatanterahana izany rahateo ny ivontoerana.





Précédent
Suivant

- - Gestion de stock
- - Q H S E: Qualité, Hygiène, Sécurité, et Environnement
- - Organisation et Gestion de chantier
- - S S T: Santé et Securité au travail
- - Etude de prix
- - Gestion Axée sur les Résultats
- - H S E: Hygiène, Sécurité, et Environnement
- - Gestion de projet
- - Maîtrise de l'outils collaboratifs

𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀: "𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐍𝐓𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀"
𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂- 7 jolay 2026]
Manoloana ny zava- mitranga eto amin'ny Firenena, fanjavonana zanaka malagasy ary misy ireo namoy ny ainy, dia hentitra ny Lehiben'ny governemanta nanipika fa tsy afaka handefitra ny tenany, amin'ny maha Praiminisitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik'ireny tranga fanjavonana sy vono olona ireny.
Efa misy ny fepetra fisorohana napetraka ary efa nomena baiko hentitra ireo minisitera voakasika. Koa niantso fitoniana ny Praiminisitra ary miantso fifanomezan-tànana avy amin'ny olom-pirenena rehetra mba hanampy ireo mpitandro filaminana.
Tsy nohadinoin'ny Praiminisitra ny naneho fiombonam- po tamin'ireo ray aman-dreny very zanaka na namoy zanaka noho izao tranga tena hafa tsy mbola fahita izao.
" 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚. 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂" hoy ny Praiminisitra.
𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮
26 jona 2026

