Fiofanana any JAPON
- Tech info
- Juin, 18, 2024
- Non classé
- No Comments
𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐘 𝐉𝐀𝐏𝐎𝐍
𝐌𝐈𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐘 𝐉𝐀𝐏𝐎𝐍 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐕𝐀𝐕𝐄𝐍𝐓𝐘
Nisokatra omaly alatsinainy tao amin’ny ivontoeran’ny JICA ao Tsukuba Tokyo, any Japon, ny fiofanana tanterahin’ireo tomponandraikitra miisa 19 avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy. Niroso avy hatrany tamin’ny fandaharam-potoana ireo mpandray anjara, taorian’ny fandraisana sy fampahafantarana ny ankapoben’ny fiofanana.
Niompana tamin’ny resaka fanajariana sy fitantanana ny fikojakojana ny lalana na “aménagement et gestion de l’entretien des routes au Japon” no lohahevitra nanombohana ny fiofanana omaly. Famelabelan-kevitra nataon’Andriamatoa FURUKI Moriyasy, Injeniera ao amin’ny « CTI Engineering International » any Japon.
Fitsidihana ny “Public Work Reaserch Institut (PWRI) ao Tsukuba, kosa no nanombohana ny fandaharam-potoana androany maraina. Docteur Ingénieur Shunsuka TANAKA, no nitondra ny famelabelarana izay nifantoka tamin’ny faharetan’ny lalana amin’ny alalan’ny fisorohana sy fikojakojana mialoha na “prolonger la vie de la chaussée par la maintenance préventive”. Nasongadiny tamin’izany ny “Approche d’entretien préventive” sy ny “ligne directrice d’inspection de route”. Nitohy ny tolakandro tamin’ny fitsidihana ifotony ny « centre de test de chaussée » ny fandaharam-potoana ny tolakandro.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo tamin’ny solontena avy tao amin’ny Masoivoho Malagasy ao Tokyo, notarihin-dRamatoa TOTOZAFY Harisoa Veronique, « Chargée d’Affaire », sy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny CHODAI sy ny CTII ny fotoana androany hariva.

- - Gestion de stock
- - Q H S E: Qualité, Hygiène, Sécurité, et Environnement
- - Organisation et Gestion de chantier
- - S S T: Santé et Securité au travail
- - Etude de prix
- - Gestion Axée sur les Résultats
- - H S E: Hygiène, Sécurité, et Environnement
- - Gestion de projet
- - Maîtrise de l'outils collaboratifs

𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀: "𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐍𝐓𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀"
𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂- 7 jolay 2026]
Manoloana ny zava- mitranga eto amin'ny Firenena, fanjavonana zanaka malagasy ary misy ireo namoy ny ainy, dia hentitra ny Lehiben'ny governemanta nanipika fa tsy afaka handefitra ny tenany, amin'ny maha Praiminisitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik'ireny tranga fanjavonana sy vono olona ireny.
Efa misy ny fepetra fisorohana napetraka ary efa nomena baiko hentitra ireo minisitera voakasika. Koa niantso fitoniana ny Praiminisitra ary miantso fifanomezan-tànana avy amin'ny olom-pirenena rehetra mba hanampy ireo mpitandro filaminana.
Tsy nohadinoin'ny Praiminisitra ny naneho fiombonam- po tamin'ireo ray aman-dreny very zanaka na namoy zanaka noho izao tranga tena hafa tsy mbola fahita izao.
" 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚. 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂" hoy ny Praiminisitra.
𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮
26 jona 2026


