Événement 2022
- Tech info
- Jan, 06, 2023
- Non classé
- No Comments
08 décembre 2022 :
FAMPIOFANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY
Famarana ny fiofanana rehefa naharitra 2 volana izay notronin’ny Atoa RAZAKASOA Jaona, Directeur des Affaires Administratives et Financières /ININFRA sy Rtoa RANDIMBINDRAIBE Misa, Directeur des Études /ININFRA, ary Rtoa Valérie RABENANTOANDRO, Directeur du Bureau de Traitement des Doléances et de la Lutte contre la Corruption « BTDLC/MTP »
TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
NY ALAROBIA 26 OKTOBRA 2022
Lapam-panjakana Iavoloha: Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra anisan’izany :
FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY:
Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019- 1033 tamin’ny 22 may 2019 sy manendry an-dRamatoa RANDIMBINDRAIBE Misa Hery Zo ho « Directeur des Etudes » eo anivon’ny « Institut National de l’Infrastructure » (ININFRA).
11 octobre 2022 :
FAMPIOFANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY
Notontosaina ny faha 11 oktobra 2022 ny fampiofanana momba ny ady amin’ny kolikoly izay nokarakarain’ny BTDLC (Bureau de Traitement de Doléances et de la Lutte contre la Corruption) eto anivon’ny Minisitera.
Haharitra 3 volana ny fiofanana ary mandeha isaky ny ambaratonga ireo mpiofana izay mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera.
APPEL À MANIFESTATION D’INTÉRÊT

APPEL À MANIFESTATION D’INTÉRÊT

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA NY ALAROBIA 10 AOGOSITRA 2022
FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY:
Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-644 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOBE Soloariseheno Odonette ho Tale Jeneralin'ny " Institut National de l'Infrastructure" ( ININFRA).

