🚧 𝐋𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-𝟕 🚧
👉 𝐄𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐤𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐫𝐚!

𝗥𝗡𝟮𝘁𝗲𝗿 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮

Efa mitohy indray ny asa fanarenana sy fanatsarana, raha niadana sy niato kely mihitsy izany teo.
Tany Toamasina ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFEFIMANANA Sambilason Richard sy ireo Teknisianina notarihiny, nijery akaiky ny fizotry ny asa, omaly Asabotsy 11 Aprily 2026.
Hentitra ny fepetra noraisina :
Hapetraka ny mpanara-maso ny asa tsy tapaka eny an-kianja, hiantohana ny kalitao
Henjehina ny fahatarana ka nomena toromarika hampitombo ny ora fiasana sy ny Olona ampiasainy ny Orinasa mpanatanteraka.
Efa-bolana no voafaritra hahavitan' ity lalana 2.000m ity.
![]()
Hisy lamina apetraka ho an' ny fifamoivoizana, mandritry ny asa atao.

