» Directeur des Etudes » vaovao(16 jolay 2025)
- Tech info
- Juil, 19, 2025
- Non classé
- No Comments
TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Notanterahina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 16 jolay 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony. Tao anatin''izany ny fanendrena Mpiasampanjakana ambony izay manendry an-dRamatoa Papisy Phostina ho « Directeur des Etudes » eo anivon’ny « Institut National de l’Infrastructure » (ININFRA).
Ny 18 jolay 2025 no notontosaina teto amin’ny ININFRA Alarobia ny famindram-pitantanana teo amin’ny Directeur des Etudes taloha sy vaovao.
Izany fotoana izany dia notronin’ny Sekretera Jeneraly sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Asa Vaventy.
Fotoana iray ihany koa nisaorana an- Ramatoa Directeur des Etudes teo aloha tamin’ny fanatontosany ny andraikiny teto amin’ny ININFRA sy ny Ministeran’ny Asa Vaventy ary niarahabana ihany koa an-dRamatoa Directeur des Etudes vaovao.
Nanamafy moa Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy fa manana vina hotanterahina amin’ny maha olombelona ny ININFRA dia ny hampandeha sy hampandroso hatrany ny fiofanana arak'asa sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao, fa koa amin’ny maha ratsa-mangaika an’ny Ministeran’ny Ministeran’ny Asa Vaventy azy dia miara miasa amin’ny fikojakojana sy fanamboarana lalana.

𝗥𝗡𝟮𝘁𝗲𝗿 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮

Efa mitohy indray ny asa fanarenana sy fanatsarana, raha niadana sy niato kely mihitsy izany teo.
Tany Toamasina ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFEFIMANANA Sambilason Richard sy ireo Teknisianina notarihiny, nijery akaiky ny fizotry ny asa, omaly Asabotsy 11 Aprily 2026.
Hentitra ny fepetra noraisina :
Hapetraka ny mpanara-maso ny asa tsy tapaka eny an-kianja, hiantohana ny kalitao
Henjehina ny fahatarana ka nomena toromarika hampitombo ny ora fiasana sy ny Olona ampiasainy ny Orinasa mpanatanteraka.
Efa-bolana no voafaritra hahavitan' ity lalana 2.000m ity.
![]()
Hisy lamina apetraka ho an' ny fifamoivoizana, mandritry ny asa atao.





