Formation technique
- Tech info
- Nov, 11, 2024
- Non classé
- No Comments
𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐕𝐀𝐕𝐄𝐍𝐓𝐘
Mpiasa miisa 56 eto amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy no misitraka fiofanana ara-teknika eo anivon’ny ININFRA Alarobia. Nanokatra izany fiofanana izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny ININFRA, Ramatoa RAKOTOBE Seheno, notronin’ny Tale misahana ny mahaolona eto amin’ny Minisitera, Chef d’escadron RAZANAMPARANY Felix, ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpiofana. Haharitra 10 andro ny fiofanana izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola.
Mizara karazany telo ny fiofanana tanterahina :
– Fiofanana mikasika ny « Viziroad » ho an’ireo injeniera sy teknisianina, arahina fitaovana arifomba nomen’ny Vondrona Eoropeanina, indrindra amin’ny fijerena ny fahasimban’ny lalana
– Fiofanana mikasika ny fitantanam-bola ho an’ireo mpitatambolam- mpanjakana
– Fiofanana mikasika ny fitantanana ny fitaovam-panjakana
Afaka ampiharina avy hatrany amin’ny sehatry ny asa ireo fiofanana ireo. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa amin’ny lafiny teknika sy ny fitantanana ary ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa eo anivon’ny Minisitera.
Misy ny fizarana ny mari-pahaizana ao aorian’ny fiofanana.

Précédent
Suivant

𝗥𝗡𝟮𝘁𝗲𝗿 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮

Efa mitohy indray ny asa fanarenana sy fanatsarana, raha niadana sy niato kely mihitsy izany teo.
Tany Toamasina ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFEFIMANANA Sambilason Richard sy ireo Teknisianina notarihiny, nijery akaiky ny fizotry ny asa, omaly Asabotsy 11 Aprily 2026.
Hentitra ny fepetra noraisina :
Hapetraka ny mpanara-maso ny asa tsy tapaka eny an-kianja, hiantohana ny kalitao
Henjehina ny fahatarana ka nomena toromarika hampitombo ny ora fiasana sy ny Olona ampiasainy ny Orinasa mpanatanteraka.
Efa-bolana no voafaritra hahavitan' ity lalana 2.000m ity.
![]()
Hisy lamina apetraka ho an' ny fifamoivoizana, mandritry ny asa atao.