TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA NY ALAROBIA 26 OKTOBRA 2022
- No Comments
- Oct, 26, 2022
- Tech info
- Non classé
FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY: Lapam-panjakana Iavoloha: Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra anisan’izany : Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019- 1033 tamin’ny 22 may 2019 sy manendry an-dRamatoa RANDIMBINDRAIBE Misa Hery Zo ho « Directeur des Etudes » eo anivon’ny « Institut National de l’Infrastructure » (ININFRA).
Read MoreADY AMIN’NY KOLIKOLY
- No Comments
- Oct, 11, 2022
- Tech info
- Non classé
FAMPIOFANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLYNotontosaina ny faha 11 oktobra 2022 ny fampiofanana momba ny ady amin’ny kolikoly izay nokarakarain’ny BTDLC (Bureau de Traitement de Doléances et de la Lutte contre la Corruption) eto anivon’ny Minisitera.Haharitra 3 volana ny fiofanana ary mandeha isaky ny ambaratonga ireo mpiofana izay mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera. https://www.youtube.com/watch?v=aSZLddb8Q_Yhttps://www.youtube.com/watch?v=XFh8_F-crLE
Read MoreAppel à manifestation d’intérêt
- No Comments
- Oct, 10, 2022
- Tech info
- Non classé
Avis de Consultation Ouverte Précédent Suivant
Read More

Notanterahina, ny herinandro lasa teo, ny fanolorana fitaovana sy kojakoja ho an’ireo Antenimieran’ny Varotra any Atsimo Andrefana, Anosy ary Farafangana, ao anatin’ny tetikasa PACFC 1.
Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fanohanana sy fanamafisana ny sehatra ara-barotra sy fanodinana vokatra any amin’ireo faritra voakasika, mba hanatsarana ny fahaiza-mamokatra sy hampiroboroboana ny toekarena ifotony. ![]()
![]()
Ho an’i 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 dia samy nahazo, amin'ny isany avy, ireo karazana fitaovana:
-Fitaovana fitahirizana mangatsiaka madinika ![]()
-Fitaovana fanamainana ![]()
-Fitaovana fanasokajiana sy famonosana vokatra ![]()
-Fitaovana fanalana menaka manitra (huile essentielle) ![]()
-Fitaovana fiompiana tantely ![]()
-Milina fikosoham-bary / vovoka ![]()
-Fitaovana fanendasana kafe / zava-manitra ![]()
![]()
-Fanamainana sy fanodinana voankazo ![]()
Ho an’𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 kosa, notolorana amin' ny karazany ihany koa :
-Fitaovana fitahirizana mangatsiaka madinika ![]()
-Fitaovana fanamainana ![]()
-Fitaovana fanasokajiana sy famonosana vokatra ![]()
-Fitaovana fanosehana menaka zavamaniry sy ricin ![]()
Nanatrika ity fanolorana fitaovana ity ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐂𝐡𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐚𝐧.
Amin’ny alalan’izao fanohanana izao dia antenaina ny hanamafisana ny fahafahan’ireo Antenimieran’ny Varotra manohana ireo mpandraharaha sy mpamokatra eny ifotony, ka hitondra fivoarana ara-toekarena maharitra ho an’ireo faritra voakasika.
