CARISTE (SANIFER)
- No Comments
- Avr, 16, 2025
- Tech info
- Non classé
14 mars 2025 CARISTE pour les agents de SANIFER du 14 mars au 02 mai 2025 Lancement de la formation CARISTE pour les agents de SANIFER Nous souhaitons une excellente formation à tous , qui acquerront des compétences essentielles pour des opérations de manutention plus sûres et efficaces. Souhaitez-vous renforcer la sécurité et la performance […]
Read More

Notanterahina, ny herinandro lasa teo, ny fanolorana fitaovana sy kojakoja ho an’ireo Antenimieran’ny Varotra any Atsimo Andrefana, Anosy ary Farafangana, ao anatin’ny tetikasa PACFC 1.
Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fanohanana sy fanamafisana ny sehatra ara-barotra sy fanodinana vokatra any amin’ireo faritra voakasika, mba hanatsarana ny fahaiza-mamokatra sy hampiroboroboana ny toekarena ifotony. ![]()
![]()
Ho an’i 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 dia samy nahazo, amin'ny isany avy, ireo karazana fitaovana:
-Fitaovana fitahirizana mangatsiaka madinika ![]()
-Fitaovana fanamainana ![]()
-Fitaovana fanasokajiana sy famonosana vokatra ![]()
-Fitaovana fanalana menaka manitra (huile essentielle) ![]()
-Fitaovana fiompiana tantely ![]()
-Milina fikosoham-bary / vovoka ![]()
-Fitaovana fanendasana kafe / zava-manitra ![]()
![]()
-Fanamainana sy fanodinana voankazo ![]()
Ho an’𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 kosa, notolorana amin' ny karazany ihany koa :
-Fitaovana fitahirizana mangatsiaka madinika ![]()
-Fitaovana fanamainana ![]()
-Fitaovana fanasokajiana sy famonosana vokatra ![]()
-Fitaovana fanosehana menaka zavamaniry sy ricin ![]()
Nanatrika ity fanolorana fitaovana ity ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐂𝐡𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐚𝐧.
Amin’ny alalan’izao fanohanana izao dia antenaina ny hanamafisana ny fahafahan’ireo Antenimieran’ny Varotra manohana ireo mpandraharaha sy mpamokatra eny ifotony, ka hitondra fivoarana ara-toekarena maharitra ho an’ireo faritra voakasika.
